<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.B. Bradbury</author>
<hymn_number>477</hymn_number>
<title>Oram-be mivatravatra arotsahy Tompo o FFPM477</title>
<lyrics>[V1]
 Oram-be mivatravatra,
 Arotsahy, Tompo ô !
 Fa mangetaheta loatra
 Izahay mpanompona.
 O ! valio, O ! valio,
 Mitaraina ka valio.

[V2]
 He ! malazo re ny voly
 Izay maniry tsy mamoa ;
 Nefa raha omenao aina,
 Dia ho vokatra tokoa.
 O ! vangio, O ! vangio,
 Sao dia maty, ka vonjeo.

[V3]
 Tovy eto, ry Mpamonjy !
 Izay nambara fahizay,
 Ka iraho ny Fanahy
 Amin-kery lehibe.
 O ! henoy, O ! henoy,
 Ka valio ny vavakay.

[V4]
 He ! toa kivy ka manahy
 Izahay mpiasanao ;
 Aza ela, ry Fanahy !
 Asehoy ny herinao.
 O ! avia, O ! avia,
 Misehoa, Fanahy ô !</lyrics>
</song>